<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>633</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Izaho tsy mba mahalala
 Izay hiainako atý ;
 Anio angaha dia hiala
 Ka hodimandry ho arý !
 Ny ran'i Kristy, Raiko ô,
 No amelao ny heloko.

[V2]
 Ry Ray ô, mampianara ahy
 Hanisa e, ny androko,
 Hiantombenan'ny fanahy
 Ao amin'ny Mpamonjiko.
 Ny ran'i Kristy, .. sns.

[V3]
 Ny asa sy ny ahiahy,
 Izay maningotra ahy izao,
 Vahao mba tsy hisakana ahy
 Hiainga raha antsoinao.
 Ny ran'i Kristy, .. sns.

[V4]
 Ny fahotako an-tapitrisa
 Saronanao ny avotra,
 Izay nandraisako batisa
 Sy ny sakafo masina.
 Ny ran'i Kristy, .. sns.

[V5]
 Tsy misy mahasaraka ahy
 Amin'ny fitiavany ;
 Ny teniny no mahasahy
 Ny olom-boafidiny.
 Ny ran'i Kristy, .. sns.

[V6]
 Ka dia tsy mba mampanahy
 Ny andro hahafatesako,
 Jesosy no miantoka ahy,
 Ny ainy no anjarako,
 Ny ran'i Kristy, .. sns.</lyrics>
<title>Izaho tsy mba mahalala FFPM633</title>
</song>